Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Présentation

  • : Le blog de Alain Rajaonarivony
  • Contact

Profil

  • Alain Rajaonarivony

Recherche

1 décembre 2008 1 01 /12 /décembre /2008 22:23
FEHIN-KEVITRA


 Ho famaliana’ny fanasana nataon’ny CONECS dia nivory teto Antananarivo androany faha 26 novambra 2008 ireo Malagasy tompon-tanindrazana mihisa 800 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ka samy nandray fitenenana ary nitsangana ho vavolombelona amin’ireo toe-javatra  hita sy hiainana amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Toe djavatra mampiharihary ny tsy fanarahan’dalàna.

Ary satria ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefana rehetra no masimandidy , na dia tsy manendry tena hampiasa izany fahefana izany  aza ny mpivory,

Ary satria ireo hezaka rehetra atao dia tsy maintsy mifanandrify amin’ny tombontsoa ambony ny firenena sy ny vahoaka Malagasy
Noho izany, izahay nihara-nivory dia mamoaka ireto fehin-kevitra ireto ho fanta-poko ho fanta-pirenenana ary  ny eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena.

Tsy maintsy hajaina sahala amin’ny anankandriamaso ny lalampanorenana sy ireo lalàna misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Tsy hekena intsony raha ny asa sahanina eo anivon’ny ny Andrimpanjakana no atao loharanon-karena tsy ara-drariny na fitaovana ampiasaina ho amin’ny tombotsoa manokana,
Tsy hekena intsony ny fanampenam-bava na iza izy na iza, izay mitaky ireo zo fototra voalaza ao anaty lalampanorenana sy ny dina iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona  heken’izao tontolo izao ary nosoniaviny Madagasikara,
Tsy hekena intsony ny mahatonga ny Malagasy ho tompony mangatak’atiny eto amin’ny tanindrazany ka zary mpitazam-potsiny ireo harem-pirenena lasa ampihimamban’ ny vahiny.
Ny tetim-pampandrosoana an’i Madagasikara dia tokony hiainga avy any amin’ny faritra rehetra fa tsy ho volavolain’ny tekinisiana eo ambony latabatra eto Antananarivo. Izany tetika izany dia tsy mainsy ahazaoana ny fankatoavan’ny maro anisa ,
Adidy sy andraikitry ny fitondram-panjakana izay voasoritra ao anatin’ny lalampanorenana ny miaro ireo olona sy ny fananany, koa tsy afa-miala amin’ny fanatanterahana izany adidy sy andraikitra izany izy.
Tsy mahatoky ny rafi-mpitsarana misy ankehitriny ny vahoaka koa adidy lehibe  sady maika miandry ny fitondram-panjakana ny hanatsarana  izany rafitra izany mba ho mahaleotena tanteraka,
 Ary satria  ny demokrasia  no fototra iorenan’ny Repoblika Malagasy noho izany  dia  malalaka, iantohana ny lalampanorenana ho an’ny rehetra ary tsy azo ferana raha tsy ho fanajana ny fahafahana sy ny zon’ny hafa sy noho ny tsy maintsy hiarovana ny filaminan-bahoaka : ny maneho hevitra sy miteny, ny fifandraisana, ny fanaovan-gazety, ny fidirana ho mpikambana na fanorenana fikambanana, fahafahana mivory, mivezivezy, fahalalahana amin’ny fieritreretana sy ny finoana
Satria efa nisafidy ny fanalalahana ara-toe-karena mitsinjo ny maha olona isika eto Madagasikara dia mitaky ny hanajan’ny rehetra ireo fitsipi-dalalao mifehy izany fanalalahana izany. Ary hatsahatra ny ampi-mamba amin’ny endriny rehetra. Noho ny fijery tsy mitovy dia tsy ekena ny hanaovana ny fitsarana sy ny sampandraharaha ny hetra ho fitaovana hampihorohorona ny mpandraharaha,
Manoloana ny kirizy ara-bola sy ara-toekarena misy eo amin’ny sehatra iraisampirenena dia mitaky fikaonan-dohan’ny herivelona rehetra eto Madagasikara izahay mba hijerena sy hanolorana ireo vaha olana rehetra takian’ izany kirizy izany.
Ny fangalana ho fananam-panjakana noho ny tombontsoam-bahoaka ireo tany, toerana na trano fonenana efa niveloman’ny olona nandritra ny taona maro dia tsy maintsy mazava ny antony ka tsy maintsy mifanandrify na mihoatra amin’ny tomban’izany tany , toerana na trano  izany ny onitra honeran’ny fanjakana ary hefaina alohan’ny hialana amin’izany tany na toerana izany.
Takiana amin’ny fanjakana ny manamora ny sehatra ny fandraharana eto Madagasikara ka tsy maintsy atao mitovy ireo fepetra omena ny mpandraharaha na avy eto an-toerana na avy any ivelany. Izany dia mitaky famoahana lalàna iray ho an’ny rehetra mifehy ny sehatry ny fandraharana, ao anatin’ izay ny fampidirana ny lalàna miaro ny zon’ny mpanjifa eo amin’ny fiainanan andavan’andro.
Ary satria sahirana ny maro an’isa amin'ny vahaoka Malagasy ary ekena fa tsy maintsy mifanaraka ary tombanana araka ny fahafahany mandoa hetra ny fandraisan’ny olom-pirenena tsirairay amin’ny vola lanian’ny fanjakana, dia mitaky izahay ny fitsitsiana amin’ny fandaniam-bolam-panjakana ka tokony ho hita taratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2009 izany fitsitsiana izany, lalàna tokony hahitsy,
Mitovy amin’ireo Banky miasa eto Madagasikara dia mitaky izahay ny fomoahana an-gazety ireo fomba fitantanana ara bola ireo orin’asa toa ny JIRAMA, AIR MADAGASCAR ary ny KROAMITA MALAGASY ets… mba ho fampiarana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ireny orin’asa panjakana ireny,
Ary satria fepetra napetraka  tamin’ny nivarotana ho an’ ny sehatra tsy miankina ny Solima ny mangarahara eo amin’ny vidiny solika dia mitaky izahay ny hampahafantarina isam-bolana an’ireo mpanjifa izany vidiny izany,
Mora ny manao sonia antonta taratasy fisamboram-bola fa sarotra no manefa ny trosa koa mitaky amin’ny fanjakana izahay mba hijery sy hitsinjo lavitra mba tsy hanampotika ny ho avy ny ireo taranaka fara-mandinby voatery handoa izany trosa izany,
Arakin’ny voasoratra ao anaty ny lalampanorenana izay manipika fa ‘’ny fitantanana amim-pahamalinana sy araka ny rariny sy hitsiny ireo harena voajanahary ilain’ny fampandrosoana ny olombelona’’, ary satria ekena fa tsy mahita tombotsoa ny vahoaka Malagasy amin’ireo tety kasa anankiroa eo amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany dia ny any QMM sy SHERITT izany dia mitaky izahay ny hamerenana indray ho dinihana ireo fifanarahana ireo,
Ary satria ekena fa harena lehibe ho an’ny vahaoka Malagasy ny harena ao ankibon’ny taniny amin’ny ady atao amin’ny fahantrana dia mitaky izahay ny hametrahana tety pitondranà mahomby miharaka amin’ireo fiaraha monin’pirenena,  tetika hitantanana izany harena izany  mitsinjo ny tombotsoa ambony ny vahoaka Malagasy ary tsy maintsy tandrovina ho an’ny taranaka ho avy,
Ny fandraisana andraikitra ny be sy ny maro ary indrindra ireo Malagay izay vato nansodrondry ny tany no any lalàn tokana ampiemotra ny fahantratrana miompapana mianjady amin’ny maro anisa dia mitaky izahay ny hametrahana tsy misy ataka andro ny FILAN’KEVITRA MASAHANA NY TOE KARENA SY SOSIALY,na CES,
Ny toe trano tsy efa ny irery koa manao antso avo amin’ireo mpiray tanindrazana rehetra manerana ny Nosy sy ireo any ivelany Madagasikara mahatsapa fa sady rariny no hitsiny ireo fehim kevitra rehetra ireo ho tongà anatevin’daharahana ka hijoro haneho ny heviny ary hiaro atrany ny tombontsoa ny tanindrazana iombonana.

Ny fitiavanan’ tanindrazana, ny fitsinjovana ireo mpiara belona ary ny mametrakà ho avy mamiratra kokoa ho an’ireo taranaka fara mandimby dia tsy sandaina volà na toerana.
Andraikitra lehibe no miantso sy miandry antsika koa mahereza satria ny adidy tsy an’olon’dratsy. Tsy adidiko izaho samy irery, fa adidiko izaho sy ianao satria ny akanga maro tsy vakin’amboa. Hifanome tanana isika satria ny mitabe tsy lanin’ny mamba.

Antananarivo androany faha 26 novambra 2008.







RESOLUTIONS


 En réponse à l’invitation formulée par le CONECS, se sont réunis à Antananarivo ce 26 Novembre 2008, des citoyens Malagasy au nombre de 800 venant des quatre coins de l’île, après avoir entendus les divers témoignages relatant des cas d’exaction, de spoliation et d’abus de pouvoir dont bon nombre d’entre eux  étaient  victimes dans plusieurs régions de Madagascar,

Considérant que la souveraineté appartient au peuple, source de tout pouvoir même si aucune prétention de s’attribuer  l’exercice de cette souveraineté  n’a été évoquée par les participants,

Acceptant que tous les efforts déployés doivent être compatibles aux intérêts supérieurs de la Nation et du peuple Malagasy,

En conséquence, nous, ayant pris part à cette réunion, faisons savoir aux citoyens de Madagascar et ceux d’ailleurs, aux pays amis et à toute la communauté internationale, les résolutions acceptées et votées à l’unanimité suivantes :

Il est impératif pour tout un chacun de respecter scrupuleusement notre Constitution ainsi que toutes les lois en vigueur dans le pays,

 

Les fonctions au service des institutions de l’Etat ne doivent plus constituer une source d’enrichissement illicite ni un moyen de servir des intérêts privés,

 

Il ne sera plus toléré de bâillonner tous ceux qui réclament l’application de leurs droits fondamentaux tels qu’ils sont stipulés dans notre constitution  et dans la Charte internationale des droits de l’homme ratifiée par l’ensemble des pays à travers le monde dont Madagascar,

 

Il ne sera plus toléré de considérer comme de simples spectateurs dans tout schéma de développement de Madagascar, son peuple, entraînant un sentiment de frustration durable  de voir ses propres richesses pillées et ou spoliées,
Tout plan de développement de Madagascar doit tenir compte des réalités vécues dans toute l’île et que cesse le rôle de l’Etat en tant que planificateur central du développement,

 

La protection des personnes et des biens est un devoir impérieux assigné au Gouvernement, il en est le seul et unique responsable,
Les citoyens éprouvent un sentiment de méfiance envers sa justice aussi l’Etat doit déployer tous les moyens pour la rendre de nouveau crédible et garantir son indépendance,

 

Acceptant que la Démocratie constitue le fondement de notre République, nous exigeons l’effectivité des libertés

d’opinion, d’expression, de communication, de presse, d’association, de réunion, de circulation, de conscience et de religion  en tout lieu et en toute circonstance dans le respect des libertés et droits d’autrui et par l’impératif de sauvegarder l’ordre public,

 

Acceptant le libéralisme économique humanisé comme étant le postulat de notre développement, nous exigeons le respect par tous les acteurs économiques des règles de jeu régissant ce concept dont entre autre la fin de toute forme de monopole. La Justice et l’Administration fiscale ne doivent pas être instrumentalisées en cas de  divergences d’intérêts au détriment des opérateurs économiques,

 

Face à la crise financière et économique internationales, nous réclamons la tenue dans les plus brefs délais d’une réunion nationale pour débattre de ce problème afin que chacun  apporte sa contribution dans la recherche des solutions idoines,
L’expropriation au profit de l’Etat pour cause d’utilité publique, des espaces, de terrains et ou d’habitations occupés et mise en valeur depuis des décennies par la population ne sera plus tolérée qu’en cas de force majeur dûment prouvé. L’acte d’expropriation n’est effectif qu’accompagné du paiement des indemnités dont le montant est au moins égal du préjudice subit,

 

Les lois et autres textes réglementant les activité économiques doivent être les même pour tous, les avantages compétitifs et comparatifs octroyés doivent être les même pour tous et ce par l’uniformisation des lois et textes réglementaires, entre autre l’adoption de la loi sur la protection des consommateurs doit être effective.
Constatant l’immense pauvreté de l’écrasante majorité de la population et reconnaissant que la participation de chaque citoyen aux dépenses publiques doit être progressive et calculée en fonction de sa capacité contributive, il est demandé à l’Etat de diminuer drastiquement son train de vie. Cette diminution doit être perçue dans la Loi de finance 2009 qui demande à être rectifiée,

 

Comme pour les banques primaires, il est demandé aux sociétés telles que la JIRAMA, AIR MADAGASCAR, KRAOMITA MALAGASY etc.…de publier dans les journaux leurs états financiers pour la bonne gouvernance et la transparence dans la conduite des affaires de ces sociétés appartenant à l’Etat,

 

Un des critères retenu concernant la privatisation des activités de la SOLIMA fut la transparence au niveau des prix appliqués ou la vérité des prix, il est exigé de faire connaître au moins tous les mois aux consommateurs la vérité sur les prix des carburants et lubrifiants affichés à la pompe,
Il est si facile de signer les documents de prêts financiers internationaux, mais à contrario il s’avère toujours difficile de les rembourser aussi il est demandé au Gouvernement de ne pas engager le pays sur de nouveaux endettements non essentiels  pour ne pas handicaper le futur de nos générations,

Considérant les dispositions constitutionnelles qui stipulent la nécessité d’une  gestion rationnelle et équitable des ressources naturelles pour les besoins du développement de l’être humain et reconnaissant que Madagascar ne tire que très peu de profit sur les deux activités d’exploitation minière connues sous les noms de QMM et SHERITT, il est demandé au Gouvernement de revisiter ces accords

 

Acceptant que ses richesses minières constituent pour Madagascar une réelle opportunité dans son défi de lutte contre la pauvreté, en collaboration avec la société civile, il est demandé au Gouvernement d’élaborer une autre politique minière tenant compte des intérêts supérieurs du peuple Malagasy  et qui préserve ces richesses pour les générations futures,

 

La participation du plus grand nombre dont surtout notre compétence nationale, constitue un gage de réussite dans nos efforts de faire reculer la pauvreté, il est demandé au Gouvernement la mise en place sans délai du Conseil Economique et Social ou CES,
Le développement de Madagascar est l’affaire de tous ses fils et de toutes ses filles sans exclusion aucune, aussi  nous lançons un vibrant appel pour que chacun de nous apporte sa contribution,

Notre patriotisme, notre souci d’apporter un peu plus pour nos concitoyens et notre défi d’améliorer le futur de nos générations  ne peuvent être marchandé d’une manière ou d’une autre car notre dignité en tant que citoyen Malagasy doit rester inestimable.


Antananarivo ce 26 Novembre 2008


Partager cet article
Repost0

commentaires

R
koa satria tsy alefanareo ny forum dia aleoko manoratra amin'ity, <br /> Dia tsy nataonareo akory ny sensibilisation ny olona tsy hamono tena eny Antaninarenina fa dia faly fotsiny ianareo androany, afapo nareo zao fa maro ny maty an!  Nitifitra ny polisy fa izay no asany, miaro an'io toerana io, tsy misy tsininy izany.<br /> Tena manome tsiny  anareo mpanao gazety aho satria fantatrareo fa ny fifidianana ihany no demokratika kanefa dia tsy nataonareo tanaty editorial akory izay. maninon raha novoizinareo ny election anticipee sa zara misy ra mandrika amin'izay acceleree ny tantara?<br /> tena tsy misaina izay mahasoa ny olona sy ny firenena ianareo rehetra!
Répondre