Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Présentation

  • : Le blog de Alain Rajaonarivony
  • Contact

Profil

  • Alain Rajaonarivony

Recherche

22 novembre 2011 2 22 /11 /novembre /2011 14:42

 

 

Zavatra maromaro no mampiahiahy sy tsy nahitana valiny mitombina tamin’ny trangan-javatra tany Soanierana Ivongoka nahafatesan’ny Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy Nadine RAMAROSON sy ireo Mpiara-miasa aminy :

 

- Ny mpanamory dia tsy manana taratasy fahazoan-dalana hitondra vedette hitatitra mpandeha avy eo Sainte- Marie ho any Soanierana Ivongo, ary ny mpanampy dia olona notsimponina ary tsy manana “livret professionnel” amin’ny maha-tatsambo azy.

 

- Ny tompon’ny vedette, tsy nanontaniana ary tsy nogadrainana na dia tsy ara-dalana aza satria ilay vedette dia tsy manana taratasy fahazoan-dalana hanao fitaterana olona an-dranomasina (Sainte-Marie – Soanierana Ivongo)- fa voatokana ho an’ny fialam-boly an-dranomasina fotsiny (visite des baleines).

 

- Ny masoivohon’ny AMPF ao Sainte-Marie dia tsy nampahafantarina akory ny fandehanan’io vedette io hitatitra olona avy ao an-toerana ho any Soanierana Ivongo, porofo manamarina izany ny tsy fisian’ny “manifeste”.

 

- Nopasopasohana fotsiny na tany amin’ny gazety, na tany amin’ny haino aman-jery na tany amin’ny fampielezam-peom-pirenena Malagasy ilay zavatra nipoaka nandritra iny tranga iny nefa namoizana ain’olonamaro.

 

- Fanapotehana ary fanafenana porofo nataon’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

 

Iza no miaro?  Iza no miezaka manafinany marina? Iza no tsy nahavita ny famotorana? Ary nahoana no tsy nisy fepetra noraisina hatramin’izay? Satria na ny fianakaviana na ny CSDN dia tsy nisy nahazo tatitra hatramin’izao!

 

Efa tantara maro no niseho talohan’io tranga io:  

 

- Efa nampahafantatra ny Ministra fa manana porofo mahakasika kolikoly avo lenta misy eto Madagasikara momba ny “bois de rose” tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, niteny izy fa tsy manaiky ary tsy hiaraka tsikombakomba amin’izany.

 

- Nametraka fitoriana ny Ministra ny 17 Jona 2011 nilaza fa misy mandrahona ho faty izy sy ny mpiara-miasa aminy. Mambra ny Governemanta no nametraka fitoriana fa tsy nisy nihaino, tsy nisy nanadihady, tsy nisy nanisy lanjany.

                

- Efa nisy nandrahona izy, anefa mbola notendrena in-telo miantoana hamita iraka tany amin’ny faritra mena dia ny Faritra Melaky. Tsy mba afaka nisafidy toa ireo namany izy.

           

- Ny ady tany maro nampitroatra ny Ministra noho ireo endrika tsindry hazolena maro tsy azo ekena intsony: ny tantara Amparihingidro, ny tantara Faharetana Arivonimamo… dia nahazoany fandrahonana vaovao tamin’ny finday sy tamin’ny fihetsika maro naseho azy.

 

     Be fahavalo ny Ministra nohon’ny Marina sy Hitsiny nijoroany ary nohon’ny fitiavany Tanindrazany nampihariny tamin’ny Fitiavanany Mpiray Tanindrazana aminy

 

Noho ireo fihetsika hafahafa nitranga taorian’ny nahafatesan’ny Ministra sy ireo Mpiara-miasa aminy:  

 

- Fandraofana ny gazety “AoRaha” tamin’ny …. Izay nirakitra ny fanambarana hoe “Misy Tompon’andraikitra voarohirohy tamin’ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson” (4x4 Fotsy)

 

- Ny tsy fisian’ny “iray minitra fahanginana” mba ho mari-panajana nandritra ireo lanonam-panjakana maro natao teto amin’ny firenena indrindra fa ilay tao Miarinarivo Itasy tamin’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy Tantsaha izay nitenenan’Andriamatoa Lehiben’ny Distrikan’I Miarinarivo nandritra ny lahateny nataony fa “ny vadin’Andriamatoa Praiministra teo aloha no Minisitry ny Mponina vaovao”. Izany fampahafantarana ny Minisitry ny Mponina vaovao izany dia natao teo ambany mason’ireo olo-manan-kaja rehetra nasaina hanatrika ny lanonana.

 

Noho ireo zavatra rehetra ireo, sy ny porofo maro eto am-pelatananay dia manambara ampahibemaso sy ho ren-tany ho ren-danitra izahay fa tsy loza voajanahary velively no nahafaty ny zanakay fa “NOVONOINA” (ASSASSINAT).

 

- Tsy nohon’ny fiovan-danja velively no nampitsimbadika ny “vedette” araka ireto sary aseho anareo ireto!

 

- Koa satria misy ny komisiona manokana voatendry nanao fanadihadina mikasika io raharaha io, tsy nahitana valiny na dia efa ho 3 volana aza izao ny nahafatesan’ny Ministra sy ireo Mpiara-miasa aminy.

 

Dia  manome fe-potoana faran’izay fohy izahay ho an’ireo “commission tripartite”ireo hamoahany ny valin’ny fanadihadiana marina. Fa fe-potoana nanadihadiana mitovy, ny valiny koa tokony hitovy.

 

Tsy maintsy atao izao rehetra izao mba ahitantsika rehetra ny marina! Ilaina ny fahamarinana!

Matokisa ianareo vahoaka fa hivoaka tsy ho ela ny ampahany manaraka amin’ny valin’ny fanadihadiana.

 

 


Partager cet article
Repost0

commentaires