Amin’ny anaran’ny vahoaka Amerikana dia satriko ny hiarahaba ny vahoaka malagasy amin’izao fankalazana ny fetim-pirenenareo ny 26 jona izao.
Amin’izao fotoana ankalazanareo ny fahaleovan-tenanareo izao dia ambaran’i Etazonia fa tohanany hatrany ny foto-kevitra hoe mendrika ho an’ny vahoaka malagasy ny higoka ny voka-tsoa entin’ny fitantanana feno fandraisana andraikitra sy mandala ny demokrasia, ny fanajana ny zon’olombelona ary ny fanjakana tan-dalana. Mijoro eo anilan’ny vahoaka malagasy hatrany izahay, ary manantena fa ho tafaverina amin’ity taona ity ny fanarahana ireo filamatra ireo.
Barack Obama
Photo : US Embassy Madagascar