Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Présentation

  • : Le blog de Alain Rajaonarivony
  • Contact

Profil

  • Alain Rajaonarivony

Recherche

3 novembre 2014 1 03 /11 /novembre /2014 23:11

 

 

Andriamatoa Filoha,

 

Raha nitafa tamin’ireo  mpanao gazety ny mpitondratenin’ny governemanta tamin’ny fihaonany farany teo dia nanatitratitra izy fa ianao izay Filoham-pirenena dia Raiamandreny tokoa ho an’ny mpiray tanindrazana, izany hoe:  olokendry sy matotra, mahazaka ny adidiny, tsy hitsinjo izay ho an’ny tenany fa izay mahasoa  ny be sy ny maro, indrindra fa ireo madinika sy ireo tsy nambinina  araka any toe-tsaina sy lalam-piainana izay lova iraisantsika rehetra. Noho izany no mahatonga ny tenako hanoratra ity taratasy ity.

 

Andriamatoa Filoha, misy toe-javatra  mitranga  amin’ny fianakaviana iray eto amintsika ka misarika fahasahiranana sy fijaliantsaina ho an’ireo mpianakavy izay iharan’izao toe-javatra izao:

 

Andriamatoa  Jean-Marc KOUMBA, raim-pianakaviana ary namana akaiky sy fantatro tsara tokoa, dia nalain’ny zandary tao an-tranony, any Antsirabe,  tamin’ny zoma 24 oktobra  tolakandro teo, ary teo imason’ireo zanany niara-nikarakara  sy nanondraka ny zaridaina teo antokotaniny. Nolazaina tamin’izy ireo fa tsy ho ela dia hiverina ny rainy fa misy resaka tsotra hifanaovana aminy (“enquête de routine”). Efa folo andro taoriana dia mbola miandry ireo ankizy! Ramatoa vadiny sy ny mpisolovava azy dia mbola tsy nampafatarina ny antony itazonana an’i Jean-Marc Koumba tsy hody any an-tranony. Ny Kolonely Florens Rakotomahanina izay tonga manokana avy any Antananarivo mba hitarika ny famotopotorana dia nilaza teo imason’ny mpanao gazety tamin’ny 29 oktobra fa ny zandarimaria dia tsy manan’andraikitra amin’izay fandehan’io raharaha io. Ny tompon’andraikitra politika sy ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) izao no topo-teny eo imasom-bahoaka. 

 

Ataoko fa fantatrao tsara ny tohin’ny fisamborana an’Andriamatoa Jean-Marc KOUMBA: hatrami’izao, Ramatoa vadiny dia mbola tsy nahazo nihaona taminy. Nanantena izy fa ho afaka hanatrika ny fitsarana an’i Jean-Marc Koumba tany Antsiranana tamin’ny 31 oktobra teo: ny fiaramanidina izay tokony hitondra dia voasakan’ny ACM tsy nahazo niainga teny Ivato. Dia notsaraina tsy misy solombava nanampy azy i Jean-Marc Koumba, ary mbola voatana any am-ponja miaraka amin’ny olona efatra mpiasan’ny ACM. voasambotra tany Antsirabe.

 

Mino aho fa ianao no afaka hanazava sy hampiato izao toe-javatra  mitera-pasahiranana sy  fijaliana izao  ka mba tsy hisarika laza ratsy ho an’ny firenentsika toy ny tanin’ny tsy mahay miara-monina , tsy mitandro ny zo maha olona. 

 

Andriamatoa Filoha, Raiamandreny ary olona manam-pinoana ianao. Ny anaranao no ho voasoratra ao amin’ny tantaram-pirenena fa tsy ny an’ireo mpanolotsaina izay tsy voahositry ny safidim-bahoaka. Hoy ny Soratra Masina: “Ny rariny no ampandrian’ny mpanjaka ny tany”: tsy misy izay mahasakana  anao tsy hiara-mijoro amin’ ireo izay tandro sy ohatra ho an’i Afrika sy izao tontolo izao  ka  reharehan’ny fireneny. Na ianao hampizotra  ny firenena eo amin’ny lalan’ny fifampanajan’ny mpiara-monina sy ny fitsimbinana ny rariny sy ny fahamarinana toy ny nataon’i Nelson MANDELA tany Afrika atsimo : tsy ny basy aman-defona no handaminana ny fiainam-pirenena fa ny fahaiza-mifamela ka hialana amin’ny fisarahambazana tsy misy fetra. Na ny fitondrana mety ho voarebirebin’ireo izay mitady valifaty ka hisalasala lava tsy hiroso eo amin’izay mahasoa ny be sy ny maro: ny vahoaka anefa tsy hiandry lava …

 

Ho anao sy ho an’ny firenena, aza atao diso fanantenana ny Malagasy.

 

    Alain RAJAONARIVONY

 

 

Lettre ouverte à M. Le Président Hery Rajaonarimampianina

 

 

Monsieur Le Président,

 

Le porte-parole du gouvernement a récemment souligné, lors d’une rencontre avec les journalistes, qu’en tant que chef de l’état, vous étiez un raiamandreny. La sagesse, la pondération, l’esprit de responsabilité et la capacité à aller au-delà de ses propres intérêts pour protéger le plus grand nombre, et en particulier les plus faibles dont il a la charge, caractérisent ces personnes dans notre culture. Et c’est donc à ce titre que je m’adresse à vous.

 

Monsieur Le Président, vous pouvez intervenir pour mettre fin à une action injuste qui rend des familles malheureuses mais, par son retentissement, donne aussi une image de notre pays très biaisée, loin de notre réputation de tolérance et de respect de la dignité humaine.

 

Jean-Marc Koumba, un ami personnel et père de famille, a été interpellé par la Gendarmerie d’Antsirabe le vendredi 24 octobre dans l’après-midi, dans le cadre d’une « enquête de routine ». Il était en train d’arroser son jardin avec ses enfants et devait juste faire l’aller-retour du domicile à la gendarmerie. Plus de dix jours après, les enfants attendent toujours le retour de leur papa. Ni Lila Koumba, son épouse, ni leur avocat, ne savent quel est le motif exact de cette incarcération. Le colonel Florens Rakotomahanina, venu spécialement d’Antananarivo pour conduire l’audition du prévenu, a dégagé la responsabilité de la Gendarmerie pour la suite de cette affaire lors de sa conférence de presse du 29 octobre. Ce sont donc maintenant les autorités politiques et l’Aviation Civile de Madagascar (ACM), à la fois plaignante et actrice, qui sont en première ligne et sous le regard de l’opinion.

 

Vous savez sûrement que l’épouse de Jean-Marc Koumba n’a pas eu le droit de voir son mari depuis son arrestation. Que désirant assister à son procès qui s’est déroulé le 31 octobre à Diego-Suarez, à l’extrême-nord du pays, elle a vu l’avion qu’elle a affrété pour elle, sa secrétaire et son avocat bloqué sur le tarmac de l’aéroport d’Ivato car l’ACM leur a refusé l’autorisation de décoller. Jean-Marc Koumba s’est ainsi retrouvé au parquet sans avocat. C’est un déni de justice de plus, qui en suit d’autres, et une entorse à nos propres lois. Dans la même situation et la même cellule se trouvent aussi quatre employés de l’ACM arrêtés à Antsirabe.  

 

Monsieur le Président, vous êtes le Raiamandreny. L’histoire retiendra votre nom, pas celui de vos conseillers qui ne disposent pas comme vous de la légitimité élective. « Le trône s’affermit par la justice » dit la Bible. Soit vous rentrez dans l’histoire comme celui qui a su passer outre les contingences et les vicissitudes politiques et appliquer une vraie Haute Politique, comme l’a fait Nelson Mandela qui a su pardonner à ses propres bourreaux pour le salut de la nation sud-africaine. Vous serez alors un exemple car il faut plus de courage à appliquer la miséricorde et le droit qu’à utiliser la force pour régler les tensions dans un pays, et bien peu l’ont réussi. Soit, vous utiliserez comme beaucoup de chefs d’Etat la maxime « la fin justifie les moyens » et tout mettre sous la « raison d’Etat », quitte à emprisonner ou tuer des innocents, et vous serez maudit par les victimes. A un moment ou à un autre, la population réagira.

 

Vous êtes croyant, Monsieur le Président, et vous avez la capacité d’être cet exemple pour l’Afrique et le monde. Pour vous-même, pour votre pays, redonnez l’espoir aux Malagasy.

 

Votre dévoué

Alain Rajaonarivony

Journaliste, théologien et psychologue.

 

  Jean-Marc-Koumba-et-sa-famille.jpg

 

Photo : La famille Koumba : Jean-Marc, Lila et les enfants.

 

Partager cet article
Repost0

commentaires